Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MALAGASY MIANATRA TENY VAHINY

Ny fianarana sy fampianarana teny vahiny eto Madagasikara

MAMPIASA NY TENY ESPERANTO I TATIANA

Tovovavy malagasy i Tatiana, mpikambana ao amin'ny Itaosy Esperanto-Klubo efa hatramin'ny taona 2019 ary mahafehy ny teny Esperanto. Isan'ireo nandray anjara tamin'ny Congrès universel natao voalohany taty Afrika izy ka nihazo an'ny Arusha (Tanzania) ary nijanona tany nandritra ny tapa-bolana. Mamarana ny fianarany momba ny fanodinana voka-pambolena i Tatiana ary tombony ho azy ny fahaizany Esperanto satria nahafahany nihaona sy nifanakalo hevitra sy nifampizara traikefa tamin'ireo esperantista 800 avy tamin'ny firenena 40 tany Arusha. Ny tombon'ny teny Esperanto tokoa manko dia ny fahafahan'izay miteny azy tonga dia mifandray amin'ireo namana esperantista eran'izao tontolo izao, ka mampiasa io teny io amin'ny fianarany, ny asany, ny fitsidihana firenena izay ataony na koa ny fialam-boliny... Mirary an'i Tatiana mba hahita fahombiazana amin'ny andraikitra tanany ato amin'ny tontolon'ny Esperanto eto Madagasikara.

Raha tianao ny handalina ny teny Esperanto dia aza misalasala mitsidika ny pejy Facebook "Esperantista malagasy".

 

Hitantsika eto amin'ny sary i Tatiana miaraka amin'ireo esperantista avy any Japon tonga nanatrika ilay fihaonambe tany Arusha

 

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article