Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MALAGASY MIANATRA TENY VAHINY

Ny fianarana sy fampianarana teny vahiny eto Madagasikara

AMPIASAO ILAY TENY NIANARANAO

Mbola tsy tara angamba aho raha miarahaba antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2025 ity.

Isan'ny zava-baovao malaza amin'izao ny fampiasana ny Starlink eto amintsika. Tokony hitondra rivo-baovao eo amin'ny sehatry ny serasera izany. Ho antsika mianatra teny vahiny ary dia aza misalasala manokatra blaogy toy itony mba hianaranao manao lahatsoratra, hizaranao ny traikefanao amin'ny hafa. Afaka atao koa ny manokatra chaine vidéo amin'ny YouTube. Isan'ireo Malagasy mpandalina ny teny Esperanto aho koa dia nampiasaiko tokoa ity teny ity mba hampahafantarako amin'ireo esperantista eran'izao tontolo izao ny kolotsaina, tantara, teny, natiora sns eto Madagasikara. Marina fa tsy ho tafapaka any amin'ireo esperantista 2 tapitrisa erantany ity chaine-ko ity nefa efa fifaliana ho ahy ny mandray anjara biriky kely ho fampahafantarana ny Nosintsika amin'ny alalan'ny teny Esperanto.

Azonao atao koa ny mitsidika izany chaine izany amin'ity rohy eto ambany ity.

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra ary aza adino ny manisy fanamarihana sy manontany raha misy mahaliana.

https://www.youtube.com/@henrielfidilalaof.8337

 

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article